Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hamelatra lamba volon’ondry manga eo ambonin’ny latabatry ny mofo atao fanatitra izy ireo ka hataony eo ny lovia, ny lovia kely, ny kapoaka ary ny kapoaka lehibe fandrarahana divay; ary ny mofo atao fanatitra dia hataony eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapoaka, ary ny kôpy amin’ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin’ny latabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hamelatra lamba volon’ondry manga eo ambonin’ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hamelatra lamba volon’ondry manga eo ambonin’ny latabatry ny mofo atao fanatitra izy ireo ka hataony eo ny lovia, ny lovia kely, ny kapoaka ary ny kapoaka lehibe fandrarahana divay; ary ny mofo atao fanatitra dia hataony eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:7
5 Rohy Ifampitohizana  

Eo ambonin’izany rehetra izany no hamelarany lamba jaky izay horakofany lamba hoditra manify; izay vao hapetrany ny bao filanjana ny latabatra.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra