Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Araka izay rehetra hasehoko aminao no ho endriky ny tabernakely sy ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Araka izay rehetra hasehoko aminao no ho endriky ny tabernakely* sy ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.


Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.


Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.


Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.


Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina Izy, dia ao amin’ny tena tranolay izay naorin’ny Tompo fa tsy naorin’olombelona.


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»


Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.


Izany dia fanoharana tandrifin’izao andro ankehitriny izao, ka manambara fa ny fanatitra aman-tsorona, atolotra araka izany fomba izany, dia tsy mahalavorary ny fieritreretan’ny olona manao fanompoam-pivavahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra