Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:16 - DIEM PROTESTANTA

16 ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo Ingahy Hirama ho an’i Salômôna mpanjaka, ho an’ny tranon’i Iaveh: varahina manganohano ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hiram-aby ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’i Jehovah tamin’ny varahina manganohano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:16
13 Rohy Ifampitohizana  

ny vilany fasian-davenona mbamin’ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana. Ireo kojakoja rehetra, izay nataon’i Hirama araka ny baikon’i Salômôna mpanjaka mba ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita tamin’ny halimo mamiratra avokoa.


Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny lovia.


Nahazoan’i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tanànan’i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan’i Salômôna ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin’ireo andry sy ireo fanaka halimo (tao an-tempoly).


ny lanjan’ireo fitrebika sy loviabe ary kaopy samy volamena madio, ny lanjan’ny siny volamena sy volafotsy araka ny karazany avy,


zanaky ny vehivavy danita sy lehilahy tirianina. Izy io dia mahay miasa volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary koa vato sy hazo, mahay mamboatra lamba jaky sy volomparasy ary menamena sy lamba rongony fotsy, mahay ny karazan’asa sokitra rehetra sady mahay mamolavola tetikasa amin’ny zavatra rehetra asaina ataony; ka dia hiara-miasa amin’ny mpahaikanto anananao sy nananan’itompokolahy Davida rainao izy.


Rehefa vitan’i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:


sy ilay fitobian-drano goavana mbamin’ny sarin’ombalahy 12 teo ambaniny,


Tao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna no nasain’i Salômôna narendrika tao amin’ny tany be tanimanga ireo kojakoja ireo, dia teo anelanelan’i Sokôta sy i Tseredatà.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra