Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo aseho,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:19
21 Rohy Ifampitohizana  

Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.


ny lanjan’ny volamena ilaina isaky ny latabatra volamena fametrahana ny mofo atolotra an’Andriamanitra, ny lanjan’ny volafotsy ilaina ho an’ny latabatra volafotsy,


Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Nalain’io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ireo manampahefana; ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilôna.


Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.


Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.


Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Dia nitsoka trompetra ilay anjely fahenina, ka nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny alitara volamena izay teo anatrehan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra