Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany rakotra hoditra trozona, ary hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany rakotra hoditra trozona, ary hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:11
9 Rohy Ifampitohizana  

–ny alitara volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana; –ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay;


Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.


Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy.


Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.


hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.


Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra