Tany Tiro dia nisy lehilahy nantsoina hoe Hirama izay mpiasa havanana momba ny halimo. Lehilahy tirianina ny rainy ary vehivavy mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftalỳ ny reniny. Io Hirama io dia tena kinga sy mahira-tsaina ary mahay tsara ny fanaovana ny asa isan-karazany momba ny halimo. Izany no nampiantsoan’i Salômôna mpanjaka azy avy any Tiro mba hanao ny asa rehetra ilany azy.