Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:8 - DIEM PROTESTANTA

Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitandrina ny fanaka rehetra momba ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hitandria ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ny Zanak’Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitandrina ny fanaka rehetra momba ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely.

Jereo ny toko



Nomery 3:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak’i Gersôna sy ny taranak’i Merarỳ.


Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.


Eo anoloan’ny Tranolay fihaonana no hanatanterahany ny asany ho an’i Aharôna sy ho an’ny fiangonana manontolo, ka hanaovany ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.


Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.


Ary ny anjaran’ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersônita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no hanara-maso azy amin’izany.


Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»