Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 10:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 10:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.


Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak’i Gersôna sy ny taranak’i Merarỳ.


ny an’ny fokon’i Gada dia notarihin’i Eliasafa, zanakalahin’i Dehoela.


«Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian’ny Levita eo anelanelan’ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin’izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan’ny tarika misy azy avy.


Koa tsy ho avy hijery ny fitaovana masina na dia kely akory aza izy ireo sao maty.


Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra