Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Rehefa vitan’i Arona sy ireo zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ireo fanaka rehetra momba azy ka efa hifindra ny toby, dia izay vao ho avy ireo zanak’i Kehata hitondra azy; satria tsy hikasika ny fitoerana masina izy ireo sao ho faty. Izany no anjara asan’ireo taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary rehefa vitan’i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ny taranak’i Kehata.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Rehefa vitan’i Arona sy ireo zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ireo fanaka rehetra momba azy ka efa hifindra ny toby, dia izay vao ho avy ireo zanak’i Kehata hitondra azy; satria tsy hikasika ny fitoerana masina izy ireo sao ho faty. Izany no anjara asan’ireo taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:15
26 Rohy Ifampitohizana  

Tafaraka tamin’i Davida koa i Tsadôka sy ireo Levita rehetra nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Napetrak’ireo ilay Vatamasina, ary nanolotra sorona kosa i Abiatara mandra-pahatafavoaka ny olon-drehetra tao an-tanana.


Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak’omby matavy i Davida.


Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ireo mpisorona ny Vatamasina.


Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.


Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.»


Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.


Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.


ary hatsofoka ao anatin’ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin’ny alitara ireo bao ireo, rehefa lanjaina ny makarakara.


Eo anatrehan’ny TOMPO eo i Aharôna no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin’ny vain’afo ka hosaronan’ny setrok’izany ilay rakotra volamena eo ambonin’ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an’i Aharôna.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.


Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.


hanompo anao sy hikarakara ny Tranolay manontolo izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny Toeramasina sy ny alitara fandrao maty na ny tenany na ny tenanareo.


I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.


Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao.


Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.


Koa tsy ho avy hijery ny fitaovana masina na dia kely akory aza izy ireo sao maty.


Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.


Dia nataon’i Mosesy an-tsoratra izany Lalànan’Andriamanitra izany, ka natolony tamin’ireo mpisorona, taranak’i Levỳ, dia ireo mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan’ny TOMPO, ary koa tamin’ireo rehetra loholon’i Israely.


Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan’i Jôrdàna ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian’ny TOMPO holazain’i Josoa amin’ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;


Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra