Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran-afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,


«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny alitara ka hamelarany lamba volomparasy eo.


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra