Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersônita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no hanara-maso azy amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny Gersonita momba ny tranolay fihaonana; ny ho mpifehy azy amin’izany anjara raharahany izany dia Itamara, zanak’i Arona mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersônita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no hanara-maso azy amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Izany no ho fanompoan’ny fokon’ny Gersonita ny amin’ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin’izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak’i Arona mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:28
6 Rohy Ifampitohizana  

Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.


Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny.


«Ataovy koa ny fanisana ny taranak’i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana.


Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»


Nomeny sarety roa sy omby efatra ny taranak’i Gersôna, araka ny ilainy amin’ny asany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra