Nomery 4:33 - DIEM PROTESTANTA33 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201133 Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara33 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika33 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy33 Izany no ho fanompoan’ny fokon’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible33 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache33 Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Jereo ny toko |
Ary i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny Levita rehetra taranak’i Kehàta sy i Gersôna ary i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana, dia izay lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Izany fanisana nataon’i Mosesy sy i Aharôna izany dia araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ka nahazoana ireto tarehimarika manaraka ireto: taranak’i Kehàta: vatan-dehilahy 2 750; taranak’i Gersôna: vatan-dehilahy 2 630; taranak’i Merarỳ: vatan-dehilahy 3 200; Fitambaran’ny Levita: vatan-dehilahy 8 580. Araka ny baikon’ny TOMPO sy teo ambany fitarihan’i Mosesy dia nankinina tamin’ny levita tsirairay avy ny asam-panompoana hiandraiketany sy ny entana hoentiny. Araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanankinana izany.