Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Nomery 4:34 - DIEM PROTESTANTA

34-49 Ary i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny Levita rehetra taranak’i Kehàta sy i Gersôna ary i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana, dia izay lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Izany fanisana nataon’i Mosesy sy i Aharôna izany dia araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ka nahazoana ireto tarehimarika manaraka ireto: taranak’i Kehàta: vatan-dehilahy 2 750; taranak’i Gersôna: vatan-dehilahy 2 630; taranak’i Merarỳ: vatan-dehilahy 3 200; Fitambaran’ny Levita: vatan-dehilahy 8 580. Araka ny baikon’ny TOMPO sy teo ambany fitarihan’i Mosesy dia nankinina tamin’ny levita tsirairay avy ny asam-panompoana hiandraiketany sy ny entana hoentiny. Araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanankinana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lohan’ny fiangonana nanisa dia ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Katolika

34 Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan’ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lohan’ny fiangonana nanisa dia ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Nomery 4:34
5 Rohy Ifampitohizana  

Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.

Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.

I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita.

Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra