Nomery 4:34 - Baiboly Katolika34 Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201134 Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lohan’ny fiangonana nanisa dia ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA34-49 Ary i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny Levita rehetra taranak’i Kehàta sy i Gersôna ary i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana, dia izay lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Izany fanisana nataon’i Mosesy sy i Aharôna izany dia araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ka nahazoana ireto tarehimarika manaraka ireto: taranak’i Kehàta: vatan-dehilahy 2 750; taranak’i Gersôna: vatan-dehilahy 2 630; taranak’i Merarỳ: vatan-dehilahy 3 200; Fitambaran’ny Levita: vatan-dehilahy 8 580. Araka ny baikon’ny TOMPO sy teo ambany fitarihan’i Mosesy dia nankinina tamin’ny levita tsirairay avy ny asam-panompoana hiandraiketany sy ny entana hoentiny. Araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanankinana izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara34-49 Ary i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny Levita rehetra taranak’i Kehàta sy i Gersôna ary i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana, dia izay lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana. Izany fanisana nataon’i Mosesy sy i Aharôna izany dia araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ka nahazoana ireto tarehimarika manaraka ireto: taranak’i Kehàta: vatan-dehilahy 2 750; taranak’i Gersôna: vatan-dehilahy 2 630; taranak’i Merarỳ: vatan-dehilahy 3 200; Fitambaran’ny Levita: vatan-dehilahy 8 580. Araka ny baikon’ny TOMPO sy teo ambany fitarihan’i Mosesy dia nankinina tamin’ny levita tsirairay avy ny asam-panompoana hiandraiketany sy ny entana hoentiny. Araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanankinana izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan’ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Jereo ny tokoMalagasy Bible34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache34 Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lohan’ny fiangonana nanisa dia ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Jereo ny toko |