Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 4:6 - DIEM PROTESTANTA

Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Debora naniraka ka niantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ny taranak’i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao?

Jereo ny toko



Mpitsara 4:6
21 Rohy Ifampitohizana  

dia aoka ny fahavaloko hanenjika ahy ka hahatratra ahy! Aoka hohoseny an-tany mbola velona aho, ka hotarihiny am-bovoka ny hajako! Fiatoana


Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Ianao no nanorina izao tontolo izao sy izay rehetra mameno azy.


Ianao no namorona ny avaratra sy ny atsimo; mihoby Anao ny tendrombohitra Tabôra sy Hermôna.


–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao, mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.


Ny sisin-tany dia mihazo an’i Jabôra sy i Sahatsaîma ary i Bety-Semesa, ka miafara any Jôrdàna. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 16 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahenina dia azon’ny taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ireo tanàna mimanda kosa dia i Tsidima, i Tsera, i Hamata, i Kinereta,


i Kedesa, i Edrehỳ, i Haîna-Hatsôra,


Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ dia i Kedesa any Galilea, izay tanàna fialofana, i Hamôta-Dôra ary i Kartàna: izany hoe tanàna telo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà.


Tamin’izany andro izany i Debôrà dia nihira niaraka tamin’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama ka nanao hoe:


Nandefa iraka tany amin’ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin’ny foko aserita sy i zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny.


Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.


Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.


Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.