Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary izy nipetraka teo ambanin’ny hazo rofian’ i Debora, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany havoan’i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’Isiraely hotsariana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary maty i Debôrà, izay nitaiza an’i Rebekà, ka nalevina teo akaikin’i Betela, teo am-pototry ny hazo ôaka izay nantsoina hoe «Hazo ôaka fitomaniana» nanomboka hatreo.


Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin’ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan’i Mosesy.


Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga atỳ amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany.


Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.


Ireo no nitsara ny vahoaka isan’andro amin’ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin’i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Dia mankany Lozy, mandalo an’i Hatarôta izay sisin-tanin’ny Arkita,


i Bety-Harabà, i Tsemaraîma, i Betela,


Tao koa i Gibehôna, i Ramà, i Beerôta.


Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.


Tao Ramà, tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan’ny taranak’i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak’i Jerohama, zafikelin’i Elihò, zafiafin’i Tôhò ary zafindohalik’i Tsofo.


Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin’ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà. Ary i Elkanà niray tamin’i Hanà vadiny, ary nohenoin’ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy.


Fantatr’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ireo niaraka taminy. Tany Gibehà i Saoly tamin’izay nipetraka teo ambanin’ny hazo tamariska tambony havoana, sady nitana lefona. Nijoro teo anilany ny mpanompony rehetra; ka hoy i Saoly tamin’izy ireo:


Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.


Rehefa izany, dia niverina nody tany Ramà izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra