Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Henoinareo izao, ry mpisorona, Ary mandrenesa, ry taranak’Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka; Fa hianareo no hihiran’ny fitsarana, Satria tonga fandrika ao Mizpa hianareo Sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:1
29 Rohy Ifampitohizana  

Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.


Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.


–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!


Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»


Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitily ho an’i Efraîma, dia ilay mpaminany. Amelaram-pandrika izy amin’izay alehany rehetra; ary fanoherana no afitsoka azy hatrany an-tranon’Andriamanitra.


Mba henoy izao, ry loholona; ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra eto Joda. Efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo?


Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:


Fa hofoanako ireo toeram-panasinan’ny taranak’i Itsehàka, horavako ireo toeram-pivavahan’i Israely, ary hitsangana Aho hamely ny taranak’i Jerôbohama amin’ny sabatra.


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo mpisorona: «Ny zanaka manome voninahitra ny rainy, ary ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray aho, aiza izay voninahitro? Ary raha Tompo aho, aiza izay hajako? Fa manamavo ny anarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?».


«Izao no fampitandremana ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona: –Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin’ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin’ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko.


Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama.


Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.


Isan-taona izy dia nandeha nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepà ka nitsara tamin’ireo tanàna telo ireo.


Avy eo dia hoy i Samoela hoe: –Aoka ho vory any Mitsepà ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin’ny TOMPO ho azy.


Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra