Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ary lavaka lalina tao Setima. «Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Misy mpivadika fatra-mpamono, fa Izaho kosa dia famaizana ho azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ary lavaka lalina tao Setima. «Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nataon’izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany, tamin’ny sorona nataony; fa ho famaizana anareo rehetra kosa Aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Misy mpivadika fatra-mpamono, fa Izaho kosa dia famaizana ho azy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Aiza indray àry no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin’ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.


Lozan’izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin’ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin’ny maizina. «Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika?»


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.


Mpikomy maditra avokoa izy rehetra, ka mandehandeha manaratsy; mafy noho ny vy na ny halimo izy, ary samy mpanao ratsy avokoa.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Koa ny hafatr’ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra