Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy i Zalmona: Lehilahy toy inona ange ireo izay novonoinareo tany Tabara? Hoy izy roa lahy: Tahaka anao izao izy. Izy rehetra dia samy miendrika zanaka mpanjaka avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary hoy izy tamin’i Zebea sy i Salmanà: «Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabôra izany?» Dia hoy ireo: «Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak’andriana avokoa izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’andriana avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy i Zalmona: Lehilahy toy inona ange ireo izay novonoinareo tany Tabara? Hoy izy roa lahy: Tahaka anao izao izy. Izy rehetra dia samy miendrika zanaka mpanjaka avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny mpanjaka tamin’ireo: –Fa manao ahoana izay lehilahy tonga nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?


Mba vonjeo re, TOMPO ô, fa miharingana ny mpivavaka marina; ary dia tsy misy intsony ny olona azo itokiana.


Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Ianao no nanorina izao tontolo izao sy izay rehetra mameno azy.


Samy nisy fehikibo teny an-tehezany ary fehiloha misoratsoratra teny an-dohany. Hoatry ny mpiady mahery no fijery azy; ary ny bikabikan’izy rehetra dia tahaka ireo Babilônianina miaina any Kaldea izay tany nahaterahany.


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.


Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama.


Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.


Noravany koa ny tilikambon’i Peniela ary novonoiny ny mponina tao.


Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo!


Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra