Fa namaly i Abrama nanao hoe: –Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefànao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorîn’i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.
Josoa 9:25 - DIEM PROTESTANTA Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay. Baiboly Katolika Indreto izahay ankehitriny eo an-tananao, ka ataovy aminay izay ataonao ho mety sy marina hanaovana anay.» Baiboly Protestanta Malagasy koa ankehitriny, indreto, eto an-tànanao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy. Malagasy Bible koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy. La Bible en Malgache Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy. |
Fa namaly i Abrama nanao hoe: –Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefànao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorîn’i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.
Raha lazainy kosa fa tsy sitrany intsony aho, dia aoka Izy hanao izay tiany hatao amiko!
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO, toy izay ho azon’ny tanan’olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny TOMPO.
Dia nampitondra izao valin-teny izao ho an’i Jehò ilay lehiben’ny tandapa sy ilay mpanapaka ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe nanao hoe: «Mpanomponao izahay ka vonon-kanao izay rehetra andidianao anay; ary tsy hanangana olona ho mpanjaka izahay, koa ataovy izay sitrakao.»
Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.
Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.
Dia namaly azy ireo i Tsedekià hoe: –Ataovy izay tianareo hatao aminy, fa na izaho mpanjaka aza tsy afaka hisakana anareo amin’izany.
Dia izao no nataon’i Josoa tamin’ny Gibehônita: narovany tsy hovonoin’ny Israelita ireo.
Fa hoy ny Israelita tamin’ny TOMPO: –Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»
Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!