Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 9:25 - Baiboly Katolika

25 Indreto izahay ankehitriny eo an-tananao, ka ataovy aminay izay ataonao ho mety sy marina hanaovana anay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 koa ankehitriny, indreto, eto an-tànanao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 9:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.


Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako ianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy.»


Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»


Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»


Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.


Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.


Ka hoy i Sedesiasa mpanjaka: «Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakanana anareo.»


Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitraponao.


Nataon’i Jôsoe tamin’izy ireo ny voalazany: nanafaka azy teo an-tanan’ny zanak’i Israely izy mba tsy hataony maty.


Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».


Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»


Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy i Helì: «Iaveh Izy ka aoka hataony izay fantany ho mety.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra