Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa ny amiko dia indro, eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay heverinareo ho mety sy marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tànanareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa ny amiko dia indro, eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay heverinareo ho mety sy marina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Raha lazainy kosa fa tsy sitrany intsony aho, dia aoka Izy hanao izay tiany hatao amiko!


Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»


ary hoy izy tamin’i Hamàna: –Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.


Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.


Dia namaly azy ireo i Tsedekià hoe: –Ataovy izay tianareo hatao aminy, fa na izaho mpanjaka aza tsy afaka hisakana anareo amin’izany.


Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe: –Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany.


Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra