Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Koa ankehitriny hatsarao ny fandehanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Koa ankehitriny hatsarao ny fandehanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:13
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.


Raha manaiky ianareo ka mankatò, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.


Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.


Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin’ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin’ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.


Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.


Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»


Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.


Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»


Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.


Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.


Nony efa tonga amin’izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manoa Azy,


Koa isaky ny manangana mpitsara ho azy ny TOMPO, dia nomba izany mpitsara izany ka nanafaka ny Israelita tamin’ny fahefàn’ny fahavalony nandritra ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Fa onena azy ny TOMPO, rehefa nitaraina izy noho ny nafitsok’ireo mpampahory sy mpampijaly azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra