Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe: –Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia hoe: NY TOMPO no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe: –Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia hoe: NY TOMPO no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


–Ry ilay taranak’olombelona, atodiho mankany Jerosalema ny fijerinao, ka mitenena miantefa amin’ny Toeramasiny, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny tanin’i Israely.


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


Saingy hoy izy roa lahy taminy: –Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra;


Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra