Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 38:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia namaly azy ireo i Tsedekià hoe: –Ataovy izay tianareo hatao aminy, fa na izaho mpanjaka aza tsy afaka hisakana anareo amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia hoy i Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia namaly azy ireo i Tsedekià hoe: –Ataovy izay tianareo hatao aminy, fa na izaho mpanjaka aza tsy afaka hisakana anareo amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka hoy i Sedesiasa mpanjaka: «Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakanana anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tànanareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly i Abisay, zanakalahin’i Tseroià ka nanao hoe: –Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an’i Simehỳ, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.


Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.


Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.


Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.


no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»


Fa dodona niverina tany amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalàna izay navoakan’ny mpanjaka dia tsy azo ovana.


Tamin’izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.


Dia hoy i Akisy namaly an’i Davida: –Tsy misy. Fa mahafinaritra ahy tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao. Saingy ireo filohan’ny Filistinina no nanao hoe: «Aoka izy tsy hiaraka hiady amintsika!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra