Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 38:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary naka an’i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanaky ny mpanjaka, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny tady mahazaka i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin’ny lavaka fa fotaka fotsiny ihany ka nilentika tao amin’ny fotaka i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia noraisin’izy ireo i Jeremia, ka nampidininy tao an-davak’i Melkiasa zanak’andriana, ao an-kianjan’ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an’i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary naka an’i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanak’andriana, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ny fotaka Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:6
19 Rohy Ifampitohizana  

ary nobatainy izy ka natsipiny tao an-davaka, dia lavaka iray tsy nisy rano.


ratsy no asetriny ny soa ataoko, fankahalana no avaliny ny fitiavako.


Niandry ny Tompo am-paharetana aho ka niondrehany ary nohenoiny taraina;


Andriamanitra ô, mba vonjeo aho, fa efa mby hatenda ny rano;


Ny tafika babilônianina tamin’izay dia nanao fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremià mpaminany dia nogadraina tao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda, tao an-kianja fiambenana.


fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.


Ary naiditra tao amin’ilay efitra miendrika an-dohalambo i Jeremià. Efa ela nitoerana tao amin’io tranomaizina io Jeremià


Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.


dia nosintonin’ireo ny tady mahazaka ka nakariny avy tao an-davaka i Jeremià; ary nipetraka tao an-kianjan’ny trano fiambenana izy.


Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan’ny mpanjaka dia hoentina eo amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen’ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nandositra ianao!


Fa dodona niverina tany amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalàna izay navoakan’ny mpanjaka dia tsy azo ovana.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.


Vao azon’ny mpiambina izany baiko izany, dia nampidiriny tao am-ponja anatiny indrindra izy roa lahy ary nasiany boloky hazo ny tongony.


Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra