Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 10:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa hoy ny Israelita tamin’ny TOMPO: –Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa hoy ny Israelita tamin’ny TOMPO: –Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary hoy ny Zanak’Isiraely tamin’i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 10:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.


Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Raha lazainy kosa fa tsy sitrany intsony aho, dia aoka Izy hanao izay tiany hatao amiko!


Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian’ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin’ny TOMPO: –Fahotana lehibe no vitako tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.


Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO, toy izay ho azon’ny tanan’olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny TOMPO.


Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe: «Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan’Andriamanitra ahy.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao an-kibon’ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman’onjanao.


Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»


Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay.


Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»


Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!


Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra