Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 10:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia narian’ny Israelita tsy ho eo anivon’izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia nanary ireo andriamanitra hafa tao aminy izy ka nanompo NY TOMPO; tsy nahazaka nijery ny fijalian’ny Israely intsony NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia narian’ny Israelita tsy ho eo anivon’izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Dia nanary ireo andriamanitra hafa tao aminy izy ka nanompo NY TOMPO; tsy nahazaka nijery ny fijalian’ny Israely intsony NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 10:16
27 Rohy Ifampitohizana  

Koa nanenina IZY ary nalahelo ny fony tamin’ny nanaovany ny olombelona teto ambonin’ny tany.


Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.


Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.


Dia nesoriny avy ny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon’ny TOMPO; ary nariany teny ivelan’ny tanàna ny alitara rehetra izay naoriny teo an-tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO sy tao Jerosalema.


kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.


Fony aho feno alahelo ka tohina mafy tato anatiko,


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.


Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy


sady nanao hoe: –Aiza no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: –Avia Ianao hizaha, ry Tompo!


Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin’ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin’i Kristy.


Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.


nandritra ny efapolo taona. Izany no nahatezitra Ahy tamin’ireo olona ireo, ka hoy Aho hoe: ‹Maniasia lalandava ny fisainany; tsy nahafantatra ny lalako ireo.›


Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.


Dia nofaranan’i Josoa hoe: –Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo.


Koa isaky ny manangana mpitsara ho azy ny TOMPO, dia nomba izany mpitsara izany ka nanafaka ny Israelita tamin’ny fahefàn’ny fahavalony nandritra ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Fa onena azy ny TOMPO, rehefa nitaraina izy noho ny nafitsok’ireo mpampahory sy mpampijaly azy.


Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»


ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.


Dia narian’ny Israelita ireo sampin’ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta, ka ny TOMPO no hany notompoiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra