Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra; ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana.
Jeremia 9:10 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ny amboadia; ary ny tanànan’ny Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.» Baiboly Katolika Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato Sy fonenan’ny amboadia; Ary ny tanànan’ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina. Malagasy Bible Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina. La Bible en Malgache Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ny amboadia; ary ny tanànan’ny Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina. |
Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra; ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana.
Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.
Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,
dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy.
Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»
Ny borikidia koa mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, ka mihanahana manambolo rivotra toy ny fanaon’ny amboadia. Jambena ny masony satria tsy misy ahitra intsony!
Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.
Tsy nanontany tena akory izy hoe: Mba aiza àry izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan’olona sady tsy misy mponina?
«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.
Fa misy firenena iray avy any avaratra miakatra hamely an’i Babilôna, ka hanova ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na olona na biby fiompy dia samy lasa nitsoaka avokoa.
Hoy ny TOMPO hoe: «Ry vahoakan’i Joda, hetezo ka ario ny volonao lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianao. Manaova hira fisaonana eny amin’ny havoana mangadihady; fa hariako sady ho laviko ianao, satria taranaka mahatezitra Ahy.»
Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.
Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.
«Na koa handefasako biby masiaka amin’izany tany izany, ka hahalao azy satria hovonoin’ireo biby ireo ho faty ny mponina eo aminy ary tsy hisy handalo intsony eo noho ny tahotra ireo biby.
Tsy misy olona na biby handia any intsony, fa ao anatin’ny efapolo taona dia tsy hahitana zava-miaina mihitsy any.
Hataoko rava sy lao ny tany; hitsahatra ny hery izay mampirehareha ny mponina eo aminy; hilaozana ny tendrombohitr’i Israely, ka tsy hisy olona handalo any intsony.›
Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.
Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»
Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.
TOMPO ô, mitaraina aminao aho fa levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra; ary misy lelafo mandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
Ry taranak’i Israely, henoinareo izao teniko izao, dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:
Koa izao no lazain’ny TOMPO, ilay Andriamanitr’izao rehetra izao sady Tompoko: «Eny an-kalamanjana rehetra dia hisy tomanim-pisaonana; ary eny amin’ny arabe rehetra dia hisy hanao hoe: ‹Indrisy! Indrisy!› Ny mpamboly koa hantsoina hiaraka ory; ary ireo mpiantsa fahoriana hanao hiram-pisaonana.
Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»
Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.