Jeremia 2:15 - DIEM PROTESTANTA15 Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Hamely azy no mampierona ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao; nodorana ny tanànany ka tonga tsy nisy mponina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Hamely azy no ampieronan’ny liona tanora sy amoahany feo Ka mahatonga ny taniny ho lao Nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Hamely azy no mampierona ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao; nodorana ny tanànany ka tonga tsy nisy mponina. Jereo ny toko |
Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray