Jeremia 12:10 - DIEM PROTESTANTA10 Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao, Jereo ny tokoBaiboly Katolika10 Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko, nanosihosy ny taniko, nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Mpitondra maro no nanimba ny tanimboaloboko, Nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra; Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra. Jereo ny toko |
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo?
Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»