Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 12:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, No mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angony ny bibi-dia rehetra, Ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 12:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.


Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:


Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha sy ianareo bibidia rehetra any an’ala, avia hanao fihinanam-be!


Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin’ny bibidia hihinana sy handripaka azy;


Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.


Koa hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.


Mananty tanana miangavy i Tsiôna, nefa tsy misy mampionona azy. Nobaikoin’ny TOMPO ireo firenena manodidina ho fahavalon’ny taranak’i Jakôba; i Jerosalema, eo afovoan’ireo, dia tonga fako maharikoriko.


Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin’ny bibidia.


Ny tandroka folo sy ny biby efa hitanao kosa no hankahala ilay vehivavy janga, ka hahatonga azy hanirery sy hampitanjaka azy ary hihinana ny nofony sy handevona ny tenany amin’ny afo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra