Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: «Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ny mpiodina avy ny tanintsika!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 2:4
35 Rohy Ifampitohizana  

Namorona izao hira fisaonana an’i Saoly sy i Jônatàna zanany izao i Davida,


I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


Mbola nanohy ny teniny ihany i Jôba ka nanao hoe:


dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!


Ho simba sy ho rava tanteraka ny tany. Fa izao teny izao no nambaran’ny TOMPO:


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.


Indro tamy ny fahavalo: toy ny rahona no iakarany hanafika, toy ny rambon-danitra no firimorimon’ny kalesiny ary faingana noho ny voromahery ny soavaliny. Very isika, fa ringana tanteraka!


Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny, satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin’ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Izany no TOMPOn’izao rehetra izao. Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;


«Ry Jerosalema, hamely anao ny mpanao ohabolana rehetra ka hiteny hoe: ‹Manahaka an-dreniny ihany ny zanany vavy.›


Noborahany teo anatrehako izany, ka voasoratra ny lafiny roa. Fitarainana sy toloko ary toreo no voasoratra tao.


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Midradradradrà ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.


Ry taranak’i Israely, henoinareo izao teniko izao, dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:


Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»


Mpanafika handresy anareo no halefan’ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresà, ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama ireo filoha tabihan’i Israely.


Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;


Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»


Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa dia hiara-manao oha-pitenenana hanesoesoana sy hanaratsiana azy.» Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe: «Lozanareo mpangoron-karena izay mandraoka ny tsy anareo sady mivesatra ny tsatòka! Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?


Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin’ny tany.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery


dia nanao izao tononkalo izao: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery


Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.


Dia hitsapatsapa ianareo na dia amin’ny mitataovovonana aza, tahaka ny jamba mitsapatsapa ao anaty haizim-pito; tsy hahomby amin’ny zavatra hirosoanareo ianareo; hampahorîn’ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianareo, fa tsy hisy hamonjy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra