Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Noho izany, dia tsy hisy amin’ny taranakareo hahazo zara tany rehefa hatao indray ny fizaràna eo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Koa tsy hisy aminao hanenjana kofehy fandrefesana hanaovana antsapaka ao amin’ny fiangonan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Noho izany, dia tsy hisy amin’ny taranakareo hahazo zara tany rehefa hatao indray ny fizaràna eo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ny fiangonan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Koa tsy hisy aminao hanenjana kofehy fandrefesana hanaovana antsapaka ao amin’ny fiangonan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 2:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.


fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko ho anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao».


«Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsà na niainga avy tany Keroba-Adôna sy Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,


Zava-mahafinaritra no voatendry ho ahy; eny, ilay fananana soa indrindra no azoko.


I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony eo amin’ny tanin’ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.


Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.


Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:


Ny lehilahy torotoro vihina na tapaka filahiana dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.


Aza hamavoinareo ny Edômita, satria taranaky ny mpiray tampo izy mbaminareo. Aza hamavoinareo koa ny Ejiptianina, satria efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianareo.


Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely:


Ary nanao ny antsapaka teo anatrehan’ny TOMPO tao Silao i Josoa ka nizara ny tany ho an’ny Israelita araka ny anjara tandrifin’ny fokony avy.


Koa manendre lehilahy telo isam-poko mba hirahiko hitety ny tany; avy eo dia hiverina hanao tatitra eo anatrehako ny amin’ny anjara tany noteteziny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra