Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:10 - DIEM PROTESTANTA

10 «Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa feno fijangajangana ny tany; noho ny fanozonana dia misaona ny tany; maina ny kijana any an’efitra. Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy; ny heriny dia ny tsy rariny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ny tany, Efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ny olona, Sady ny tsi-fahamarinana no heriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:10
27 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ireo taranaky ny mpisorona dia nisy naka vehivavy hafa firenena ho vady, ka ireto avy: tamin’ny taranak’i Jesoa mirahalahy avy, zanakalahin’i Jôtsadàka, dia ry i Mahaseià sy i Elihezera ary i Jariba sy i Gedalià;


ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.


Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.


Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby ho valin’ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.


dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy.


Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;


«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.


Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony hatramin’ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.


Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny ôliva.


«Raha misy olona mandre ny antso avo ataon’ny fampanoavana ho an’ireo vavolombelona ka ny tenany dia vavolombelona nahita na nahalala nefa tsy manambara, dia manota izy ary itambesaran’ny heloka.


Mpieboebo sady mpamitaka ireo mpaminaniny; zimbazimbain’ireo mpisorony kosa ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra ary dikainy ny lalàna.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika.


Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra