Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 NY amin’ireo mpaminany. Montsamontsana ato anatiko ny foko, Mangozohozo ny taolako rehetra, Toy ny olona mamo aho, Ary toy ny lehilahy leon-divay, Noho ny amin’i Jehovah Sy noho ny teniny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:9
21 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, narianao sy nahahakao izahay; kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.


Latsa, henatra, fahafaham-baràka: fantatrao fa mihatra amiko avokoa ireny; tsy misy takona Anao ny mpandrafy ahy.


Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.


Migagà ka mitalanjòna ianareo. aoka ho jamba ka tsy hahita, ho mamo nefa tsy amin-divay, hivembena nefa tsy amin-toaka!


Noho izany, ry ilay Jerosalema ory ka mivembena tsy mamon-divay, henoy izao teny ataoko izao:


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Nony ren’ireto mpitondra fanjakana ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy ka nilaza tamin’i Baròka hoe: –Tsy maintsy ampitainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Nobobohan’ny Tompo zava-mampalahelo aho ary nomamoiny zava-mangidy.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalàna, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra