Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:8 - DIEM PROTESTANTA

8 fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 fa hoe: Velona i Iaveh, izay nitondra sy nampody ny firenena taranak’i Israely, avy any amin’ny tany avaratra sy ny tany rehetra nandroahako azy. Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra Sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ny taniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:8
24 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho›,


fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Ary ny sisa tavela rehetra amin’izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin’ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin’ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason’ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin’ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an’i Jakôba mpanompoko.


Havoakako avy any amin’ny firenena izy ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa, dia haveriko ao amin’ny taniny; handrasako eny an-tendrombohitr’i Israely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary koa eny amin’ny toerana rehetra azo honenana eo amin’ny taniny.


«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.


Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.


Ary honenanareo ny tany izay nomeko an’i Jakôba mpanompoko sady efa nonenan’ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin’ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay.


Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, rehefa hangoniko ho eo amin’ny taniny izy, ka tsy hisy havelako any amin’ireo firenena izay nanaovako sesitany azy na iray aza.


«–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»


Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra