Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:7 - DIEM PROTESTANTA

7 «Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Noho izany, indro avy ny maraina, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra avy any amin’ny tany Ejipta;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:7
9 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao, avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


Ary na iza na iza hiantso ny anaran’ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO. Ary izay antsoin’ny TOMPO dia ho isan’ny afa-mandositra.


«–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra