Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Amin’ny androny no hamonjena ny Joda, Sy handrian’ny Isiraely fahizay, Ary izao no anarany izay hanononana Azy: JEHOVAH FAHAMARINANTSIKA.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:6
50 Rohy Ifampitohizana  

Mitaingena kalesy ianao ka mirosoa hiaro ny hitsiny sy hitandro ny rariny. Loza no hafitsoky ny herinao:


Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny.


Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana, ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Manerinerina tokoa ny TOMPO, satria mitoetra any ambony any Izy. Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.


Tsy hahitana liona io lalana io sady tsy hiakaran’ny biby masiaka; tsy hisy ho hita eo ireny fa izay nafahan’ny Tompo no handeha eo.


«Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona ary koa ho fahazavan’ireo firenena.


Ianareo kosa, ry vahoaka Israely, dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baràka na oviana na oviana ianareo.


Ny fiadiana isan-karazany tefena hamelezana anao dia tsy hahomby mihitsy; ary ny olona rehetra izay miampanga anao eo anoloan’ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko, ary izany no rariny hananany avy amiko.»


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: ‹Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiôna tendrombohitra masina, fonenan’ny famonjena!›


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.


Amin’izay dia ho afaka ny fanjakan’i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin’i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an’i Jerosalema dia hoe ‹Ny TOMPO no fahamarinantsika.› »


Ny zana-tsipîka manondro an’i Jerosalema dia nianjera teo an-kavanany. Koa hanandra-peo hanao akoran’ady izy ary hampametraka ny kanontabe hamelezana ny vavahadin-tanàna, hampanangana ny tovon-tany ary hampandavaka ireo hady fanafihana.


Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»


«Koa ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry ilay taranak’olombelona, ary ambarao amin’i Gôga fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’ny andro hiainan’i Israely vahoakako am-pilaminana no hiainganao;


Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao›. »


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


Anao ny fahamarinana, Tompo ô, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin’izao anio izao, dia anay olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ary an’ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.


Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»


Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.


Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela, ka hanjary masina indray io toerana io; ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba ny tanin’ireo naka ny taniny.


rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa; dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.


Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin’ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan’i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra ka miorina amin’ny finoana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra