Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:5 - DIEM PROTESTANTA

5 «Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 «Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hananganako ho an’i Davida solofo marina; hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, Ka hanjaka Izy sady ho hendry Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:5
49 Rohy Ifampitohizana  

Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: «Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra


Ry ilay mpiady mahery fo ô, fehezo amin’ny etra ny sabatrao izay mari-piandrianana sy voninahitrao.


Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba miverena; tsinjovy avy any an-danitra ka jereo ary karakarao ilay voalobokao:


Ry mpanjaka mahery sy tia rariny ô, Ianao no nampiorina ny hitsiny sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana teo amin’ny taranak’i Jakôba.


Manerinerina tokoa ny TOMPO, satria mitoetra any ambony any Izy. Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.


Amin’izany andro izany, izay ampanirin’ny TOMPO eo amin’ny tany dia ho tabiha sy ho voninahitra ho an’izay sisa velona teo amin’i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.


«Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona ary koa ho fahazavan’ireo firenena.


Ao amin’ny TOMPO irery no hahitana hery sy fahamarinana!» Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.


Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin’ny toeram-boninahitra ambony indrindra.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Naniry toy ny solofon-kazo madinika teo anatrehan’ny TOMPO ilay Mpanompony; naniry toy ny fakan-kazo mitrebona eo an-tany karakaina. Tsy nanana endrika na bika nanintona antsika izy, na koa hatsaran-tarehy haniriantsika azy.


Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.


Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»


Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›


Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an’i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.»


«Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan’i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ny zana-tsipîka manondro an’i Jerosalema dia nianjera teo an-kavanany. Koa hanandra-peo hanao akoran’ady izy ary hampametraka ny kanontabe hamelezana ny vavahadin-tanàna, hampanangana ny tovon-tany ary hampandavaka ireo hady fanafihana.


Hotadiaviko ny ondry very, haveriko izay nisaraka tamin’ny andiany, hotsaboiko izay naratra, hohatanjahiko izay marary, ary hokolokoloiko hatrany izay matavy sy matanjaka. Izaho no hiandry ny ondriko araka ny rariny.»


Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin’ny tany; ary tsy hovesaran’ny latsan’ireo hafa firenena intsony izy.


Koa ireo printsy dia hanana ny anjara taniny manokana ao Israely ka tsy hampahory ny vahoakan’ny Tompo intsony izy, fa hamela ny faritra sisa amin’ny tany ho an’ireo fokon’i Israely.»


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ilay tanànan’i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanàna izany, ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.


Tafahaona tamin’i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Mosesy tao amin’ny bokin’ny Lalàna sy voalazan’ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


Kanefa omen’Andriamanitra tsiny ny vahoakany, raha ilazany hoe: «Indro fa avy ny andro, hoy ny Tompo, izay hanaovako Fanekempihavanana Vaovao amin’ny mponin’i Israely sy amin’ny mponin’i Joda.


Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra