Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy; sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, Ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, Sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:4
25 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa, ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo; fa izao manangona azy Izy ary miambina azy tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»


Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»


Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Hijery anareo am-pitiavana Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo ary hitazona ny fanekempihavanako aminareo.


Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


ka nanao taminy hoe: –Efa nalainay ny isan’ny mpiantafika izay teo ambany fifehezanay, ka tsy nisy latsaka na dia iray aza.


Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.


Izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Ray ô, tsy navelako hisy very tamin’ireo nomenao Ahy na dia iray aza.»


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra