Joela 1:13 - DIEM PROTESTANTA13 Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Misìkina sy mitomania, hianareo mpisorona; Midradradradrà, hianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; Andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, Hianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, Fa tapaka tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina. Jereo ny toko |
Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »