Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Indrisy, ry fampiononana ahy amin’ny fahoriako ô! Reraka ny foko ato anatiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin’ny alaheloko, Fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:18
12 Rohy Ifampitohizana  

Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.


Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.


Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Matoa rera-po izahay matoa jembin-dranomaso ny masonay,


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra