Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Indro bibilava misy poizina no halefako hamely anareo, dia menarana tsy azon’ody; ka hanaikitra anareo tokoa izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon’ody ka hanaikitra anareo ireny, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Indro bibilava misy poizina no halefako hamely anareo, dia menarana tsy azon’ody; ka hanaikitra anareo tokoa izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Fa indro alefako hamely anareo ny bibilava sy ny aspìka, izay tsy leon’ny ody fankatoavana; dia hanaikitra anareo ireny, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, Dia menarana izay tsy azon’ody, Ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon’ody ka hanaikitra anareo ireny, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:17
9 Rohy Ifampitohizana  

izay tsy mihaino ny mpanao safosiaka azy, na dia ny mahasondriana indrindra aza.


Tsy misy tombontsoan’ny olona mahay mibaiko bibilava, raha toa ka mbola voakaikiny ihany.


Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.


toy ny amin’ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin’ny orsa; na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin’ny rindrina, kanefa kaikerin’ny menarana.


na hiery any an-tampon’i Karmela aza ireo, dia hokarohiko sy halaiko any; na mihevitra hiafina tsy ho hitan’ny masoko any amin’ny fanambanin’ny ranomasina aza ireo, dia homeko didy ny trozonabe hanaikitra azy any;


Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.


hofezahin’ny mosary ireo sady holevon’ny tazo sy ny areti-mandripaka; ary halefako hamely azy ny biby masiaka mbamin’ny bibilava misy poizina.


Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony; satria toy ny bibilava ny rambony ka misy loha izay entiny mamely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra