Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Re hatrany Dana ny fiefonefon’ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon’ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy dia levoniny ny tany mbamin’izay ao aminy, ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, Dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:16
22 Rohy Ifampitohizana  

na mampifalihavanja azy toa valala? Mampihorohoro ny fihiakany sahisahy!


Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan’ny hatezeranao. Fa nandripaka an’i Jakôba ireo, eny, nandripaka azy hatramin’ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.


Fa hatry ny fahazazànay dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra nanompoana an’i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.


Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.


Nojereko ny tendrombohitra ka tsy nahajoro intsony; ary ny havoana rehetra nihozongozona.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


Mikatrokatroka ny kitron’ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy, ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Babilôna!


Mihorohoro sy mihovitrovitra ny tany fa tanteraka amin’i Babilôna ny fikasan’ny TOMPO hamelezana azy mba hahatonga an’i Babilônia ho tany mahonena tsy misy mponina intsony.


Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Tsiôna.


Injany re ao ny firefotry ny karavasy, ny firodorodon’ny kodiarana sy ny fikatrokatroky ny soavaly ary ny fitraitraikan’ny kalesy.


Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin’ny lanitra.


satria «an’ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina.


Kanefa raha ilazan’olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin’ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana;


Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Dia nihazakazaka mafy ny soavaly; ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra