Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:16 - Baiboly Katolika

16 Re hatrany Dana ny fiefonefon’ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon’ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy dia levoniny ny tany mbamin’izay ao aminy, ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, Dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:16
22 Rohy Ifampitohizana  

ary mampitsipika azy hoatry ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.


Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.


Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!


Efa levon’ny fahavetavetan’ny sampy ny fahatanorantsika, ny vokatry ny fisasaran’ny razantsika, ny ondry aman’ombiny, ny zanany lahy aman-janany vavy.


Koa izay rehetra mandany anao, holanina; izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo; izay mamabo anao, hobaboina; ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.


Izao no lazain’i Iaveh: Feo mahatsiravina no efa renay; fahatahorana izao, fa ny fiadanana tsy mba nisy!


Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy; ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.


Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.


Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny, sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany: tsy miherika izay zanany intsony ny rainy, fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.


Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.»


Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana; olo-masiaka tsy mahalala antra izy. Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony, mitaingin-tsoavaly izy, milahatra hoatra ny olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipîka aman-defona; olona masiaka tsy manana indrafo; mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony; mitaingin-tsoavaly izy, vonon-kiady, toa olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Siôna.


Injany re ny firivirìvin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia, ny katrokatroky ny soavaly, ny fiantraitraikan’ny sarety!


Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.


satria an’Andriamanitra daholo ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy.


Fa raha misy manao aminareo hoe: «Natao fanatitra tamin’ny sampy io,» no aza mihinana, noho ilay nilaza sy noho ny kônsiansy.


ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana, rainy, izay naterak’i Israely; fa Laïsa kosa no anaran’ny tanàna taloha.


Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.


Nikatrokatroka tamin’izay ny kitron’ny soavaly, tamin’ny hazakazaka, dia ny firiotran’ny mpiadiny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra