Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.
Eksodosy 26:31 - DIEM PROTESTANTA «Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova efitra lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara. Baiboly Katolika «Manaova efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay; Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Malagasy Bible Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. La Bible en Malgache Manaova efitra lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. |
Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, dia aoka ho tonga malemy ny tanako ankavanana!
«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.
Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.
I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
«Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.
Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga.
Nomeny azy roa lahy ny talenta hanao asa isan-karazany: ny mandidy vatosoa, ny manao sary, ny manao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ny manao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony madinika, ny manenona ary ny manatontosa asa samihafa na mamorona zava-kanto.
Mpahay taozavatra no nanao ny efitra lamba iray tamin’ny rongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, noravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
Nisy andry efatra namboariny tamin’ny hazo mimôzà, dia norakofany takela-bolamena; ary nahantony tamin’ny fantsika volamena teo ny efitra lamba. Nandrendrehany faladia volafotsy efatra koa ho an’ny andry.
Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.
Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.
–Miverena, miverena, ry Solemita; miverena, miverena hijerenay anao. –Nahoana ianareo no mijery ilay Solemita, toy ny mijery ny dihin’ny roa tonta?
Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.
Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»
Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;
Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy;
Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina.
Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala.