Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:15 - DIEM PROTESTANTA

15 «Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 «Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 «Dia manaova saron-tratra fitsarana, asa-mpanenona mahay; hatao mitovy tenona amin’ny efôda, hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda* no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:15
11 Rohy Ifampitohizana  

vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


dia hapetaka eo koa ny rojo volamena madinika anankiroa miolanolana toy ny tady voarandrana.


Ho paosy efamira izy io, ka mirefy 25 santimetatra ny lafiny tsirairay ary


Ary ianao, ry Mosesy, apetaho eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orîma sy Tomîma mba hoentin’i Aharôna eny an-tratrany rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy; tsy maintsy entin’i Aharôna mandrakariva eny aminy manko ireny isaky ny ho ao amin’ny Toeramasina izy mba hahazoany mamantatra ny sitrapoko momba ny Israelita.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


«Mpahay taozavatra no hanao ny efôda amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena.


Avy eo dia ampiakanjoy an’i Aharôna ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efôda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin’ny efôda.


Dia napetany taminy koa ny saron-tratra ka nasitriny tao ny Orîma sy ny Tomîma.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra