Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:23 - DIEM PROTESTANTA

23 I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny firenen’i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:23
6 Rohy Ifampitohizana  

volon’ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon’osy,


«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,


Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:


Nomen’ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an’i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana.


I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra