Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:22 - DIEM PROTESTANTA

22 I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda, nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:22
7 Rohy Ifampitohizana  

I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela.


dia tsy ho menatra aho mandinika ny didinao rehetra.


Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Jereonareo fa nofidin’ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,


Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.


Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra